Fandriampahalemana

Ambohimanambola Nodoran'ireo jiolahy ny trano rehefa tsy voasokany


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Tokantrano iray teny Volomborona Ambohimanambola no novakiana andian-jiolahy ny zoma teo tokony ho tamin’ny 9 ora sasany alina.

 

 

 Tamin’ny famaky no namakian’ireo jiolahy, efa ho 10 lahy mahery ny trano rehefa tsy nety nisokatra. Rehefa tafiditra tao anefa ireo tsy mataho-tody dia tsy vitany indray ny nanokatra ny efitra tao ambony ka dia norarahan’izy ireo lasantsy ny trano ary nodorany tao ireo fianakaviana tao anatiny. Nifamonjen’ireo fokonolona ny famoahana ireto farany tao amin’ilay trano izay nosintomina avy ao amin’ny tafon-trano noravaina. May avokoa ny entana tao amin’ity tokantrano ity. Vaky nandositra kosa ireo jiolahy rehefa nahavita ny nataony sy nahatsapa fa efa taitra ny fokonolona. Ireto farany moa no niezaka namono ny afo raha nifandritaka nikaroka ireo mpanao ratsy kosa ny mpitandro ny filaminana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT