Dahalo miisa 7 tamin’ireo manodidina ny 60 nanafika no lavon’ny zandary sy ny fokonolona rehefa avy nanao fanafihana tao amin’ny amin’ny kaominina Ankafina-Tsarafidy, any Ambohimahasoa, Faritanin’i Fianarantsoa iny, ka nodoran’ny olona avokoa ny vatan’izy ireo omaly noho ny hatezerany.
Nandeha ny fanarahan-dia, ka raikitra ny fifandoanana sy ny fifampitifirana, ka nahafaty ny sasany. Ny 2 tamin’izy ireo kosa, dia isan’ny azo sambo-belona, saingy niana-kendry ny nandositra ka voatifitra ny iray ary maty tsy tra-drano, ary ny iray ihany kosa tafiditra afovoan’ny mpanenjika satria nilefa teny an-tanimbary, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Tafaverina ny omby rehetra ankoatra ireo 3, izay efa novonoin’ireto dahalo ireto teny an-dàlana. Tofoka sy leo ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka any an-toerana ary tsy te hahalala zon’olombelona intsony. Ny zava-misy any amin’ny faritra somary atsimon’ny Nosy iny, dia na matin’ny dahalo na mahafaty azy satria tsy mitsitsy ny olon-dratsy ary efa mivonona amin’ny fiarovan-tenany ihany koa ny mponina ampian’ny zandary vitsivitsy. Vao roa herinandro latsaka kely izao, olona 3 no maty notifirin’ny dahalo tany akaikin’Ambalakindresy sy Morafeno, any Ambohimahasoa hatrany, ary 45 ny omby very tao anatin’ny asan-dahalo niseho. Manomboka ritra ny omby, tsy mifidy zavatra halaina intsony ny dahalo. Efa lasibatra koa ny kisoa, ny akoho amam-borona, eny fa hatramin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN aza. Toa efa ho lava kosa eto ny resaka ambony latabatra momba fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana ny tsy fandriampahalemana. Tonga hatrany amin’ny fampanenoana anjomara sy kiririoka ny fanehoan-kevitra ny 15 martsa lasa teo notarihin’ny mpandraharaha sy olom-pirenena noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Tsaroan’ny rehetra tsara ny tenin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier volana maromaro izay fa roa volana monja dia hisy vokatra azo tsapain-tanana. Inona akory no teo ? Amin’ny fanakanana hetsika politika sy fibodoana tanin’olona no tena hampiasana betsaka ny mpitandro ny filaminana fa toa ambinambin-javatra ihany ny resaka tsy fandriampahelemana, eny fa na dia manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo iraka vitsivitsy halefa hiady amin’ny dahalo. Tsy voafehy intsony ny resaka fitsaram-bahoaka. Raha hiverenana kely ny antontan’isa, 64 ny tranga ho an’ny taona 2017, ka 6 monja no voasakana. 68 no maty, ka mpitandro ny filaminana ny 3. Miisa 38 kosa ny olona voasambotra. Lojika raha mirongatra ny tsy fifampatokiasana satria ny fihetsiky ny mpitondra aza toa manome vahana ny famaliana faty sy fitsaram-bahaoka raha dinihina amin’ny raharaha Antsakabary. Nivoaka ny horonantsary naneho ny fampijaliana vahoaka sy ny resaka fandorana tanàna nahafatesana ramatoa lehibe iray ny febroary 2017, kanefa dia toa ninia nikimpy ny fanjakana. Fampiesonana no betsaka !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.