Fandriampahalemana

Ambohijatovo Efa-dahy mitam-basy nanendaka vehivavy


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Vehivavy iray novelesin` ireo jiolahy miisa efatra teo amin’ny lohany, notaritaritina tamin’ny tany.

 

Naratra mafy ilay niaran-doza. Izany no herisetra nateraky ny asan-jiolahy nitranga ny sabotsy teo tetsy Ambohijatovo manakaiky ny tonelina, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva, jiolahy izay voalaza fa nitazona basy. Nitsoaka moa izy rehefa vita ny asa ratsy. Taorian`izay dia nanatona polisy ilay voaendaka. Ankona ity farany raha namaly ny mpitandro filaminana fa tsy sahy amin`izany jiolahy efatra mitondra basy izany izy ireo ka niala tsiny. Omaly alahady kosa dia nandray tsara ilay niharan-doza ny polisy ary nanomboka ny fanadihadiana.Tsy mandry fahalemana ny tanàna. Vao harivariva milenti-masoandro dia efa fitaintainana ny an’ny mponina amin’ny tsy fandriampahalemana. Manao ny ataony ireo mpanao sintomahery, ny mpanendaka, ny mpanolana, ny mpanao herisetra amin’ny endriny samihafa. Azo atao tsar any mametraka paikady mahomby kokoa amin` ny fanatsaràna ny fitandroana ny filaminana. Eo ohatra ny fametrahana ireo “camera” fitiliana eto an-dRenivohitra. Atomboka amin` izay toerana tena mafana sokajiana ho faritra mena mba hanarahamaso 24 oa amin’ny 24 ora ny zavamisy. Zavadehibe ihany koa ny fampitomboana ireo andrin-jiro mirehitra tsara ary manazava tanàna amin’ny alina, ary farany dia tokony atao mazava sy aparitaka ho fanta-bahoaka hoe firy marina ny laharana maintso ahafahana miantso raha mila vonjy amin’ny mpitandro filaminana.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT