Fandriampahalemana

Ambohiboromanga-Ambatondrazaka 4 mianaka indray novonoin’ny dahalo


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Olona miisa 4 no indray matin’ny dahalo tany amin’ny kaominina Ambohiboromanga any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny talata teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina.

Mpianakavy avokoa izy ireo ary tao anatin’ny fanafihana dia tokantrano 4 no nasesin’ireo jiolahy tao amin’ny fokontany nisy azy ireo tao amin’ny fokontanin’i Feramanga Atsimo. Ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Ambohiboromanga sy ny rahalahiny ary ny ray aman-dreniny ireo namoy ny ainy ireo. Notifirina sy notetehina zava-maranitra iry voalohany. Nentina nivoaka ny tanàna kosa ny vadin’io tompon’andraikitra io sy ny anabaviny, ary novetavetain’ireo dahalo. Ny tena nampiahiahy dia tsy nitady vola na entana sarobidy izy ireo fa ny basy tao an-trano no re fa  tena nokarohany mafy. Nilaza ho tsy mila ny omby sy ny vola ireo jiolahy. Nambarany kosa fa efa fifanarahana vita ny azy sy izay mety ho naniraka, raha ny fanazavan’ny lasibatra. Izany “operation tsy mitsitsy” izany no nambaran’ireo olon-dratsy fa tanterahiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT