Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka


  • Talata 25 Jona 2019

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, nitondra poketra sy entana maromaro teny an-tanany omaly maraina no nobataina mpanendaka telo mirahalahy tetsy Ambodin’Isotry.

 

 

 

Tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany ka nihiaka niantso vonjeo ilay Ramatoa.  Somary navesatra anefa  ity farany sady lavabe ka tsy zakan’izy telo mirahalahy. Niara-nianjera izy ireo ka voatsindrin’ilay Ramatoa tao ambaniny avokoa ny entana sy ny poketra. Niezaka nisava ihany ireo mpanendaka na dia efa nanatona  aza ireo olona namonjy ilay Rtoa izay marihina fa tsy tahotra tsy henatra intsony.  Taorian’izay dia lasa niditra namakivaky ireo elakela-trano etsy Ambodin’Isotry ireo mpanendaka ka tsy nisy tratra na dia iray aza. Niray hina namonjy ity renim-pianakaviana ity avokoa omaly maraina hatramin’ireo mpandeha tany anaty taksibe, antony nampatahotra ireo mpanendaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT