Fandriampahalemana

Ambodin’Isotry Maty voatsindron’antsy ilay mpanao cash point


  • Zoma 04 Novambra 2022

Ramatoa iray mpanao cash point eo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe Bazarma , Ambodin’Isotry omaly alakamisy 03 novambra no notsindromin’ny jiolahy tamin’ny antsy.

Lasan'ireo mpanao ratsy tamin'izany ny kitapo iray nisy vola mitentina 1 tapritrisa Ar sy finday miisa 03 . Minitra vitsy taorian'io tranga io dia tonga teny an-toerana ny Polisy. Raha ny filazan'ireo nanatri-maso dia tovolahy miisa 02 no nanao izany asa ratsy izany saingy natahotra ihany koa ny manodidina ka tsy nisy sahy nihetsika. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia nanao bemidina ka nisafo ireo toerana mety nandosiran'ireo jiolahy mpamono olona ireo. Lehilahy miisa 05 no voasambotry ny Polisy tamin'izany ka ny 02 tamin'izy ireo no fantatra fa nanao ilay asa ratsy . Ilay Ramatoa nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny kosa amoy ny ainy avy hatrany raha vantany vao tonga teny amin'ny hopitaly.
Pati
Legende : Mitombo isa ireo mpanao cash point matin’ny jiolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT