Fandriampahalemana

Ambodifilao Misy mpanendaka mampihorohoro amin’ny basy


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Ramatoa iray no lasibatra lehilahy iray 22 taona no tra-tehaky ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) avy ao amin’ny kaomisaria foibe Antananarivo Renivohitra ny 13 jolay teo teo am-panendahana olona.

Nandritra ny fisafoana nataon’ny UIR teny amin’ny faritra Ambodifilao ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina no sendra trangana fanendahana izy ireo. Ramatoa iray handeha hamonjy fodiana no nifanena tamin’ity jiolahy ity. Nambanany basy ary norohitiny ny kitapo noentin’ilay vehivavy. Azony ilay kitapo ka niantso vonjeo ity ramatoa. Tsy lavitra teo anefa no toerana nanaovan’ny polisy fisafoana ka nandray andraikitra avy hatrany ireto farany nanenjika ilay jiolahy ka tratra tsy lavitra teo ity farany. Naratra vokatry ny sinto-mahery nampianjera azy ilay Ramatoa ka nentina namonjy toeram-pitsaboana. Mbola tratra teny amin’ilay mpanendaka kosa ireo entana rehetra avy nendahiny tamin’ilay vehivavy ka naverina amin’ity farany. Taorian’ny fanadihadiana natao dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpanendaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Miaraka amin’ny basy ity lehilahy ity rehefa manendaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT