Fandriampahalemana

Amboasary atsimo Tanàna roa notafihin’ny malaso


  • Talata 24 Jolay 2018

Miferinaina lava ny mponina amin iny tapany avaratry ny distrikan Amboasary atsimo.Saika isan'andro dia ahitana fanafihana malaso.

Ny alin'ny alahady teo dia  tanàna roa samihafa no niakaran'ny malaso.Ny iray tao Beadabo , kaominin'ny Tomboarivo,ka omby 25 no lasa .Tsy afa-nikofoka ny fokonolona fa dia ny naka malala ny omby ireo malaso miisa 20.Ireo mpitandro  filaminana mponina moa dia voalazan’ny mponina avy any an-toerana fa mitaza-potsiny noho izy ireo vitsy an’isa.Mbola tao amin'ny tanana iray hafa atao hoe Manjola ao amin'ny kaominy Tsivory no notafihin ny malaso 12 lahy.Lasany tamin'izany ireo omby 10.Fa maty vokatry ny fifandonana ny lehiben'ny jado.Tsy afa-manoatra ny fokonolona.Mbola tena marefo  ny fandriampahalemana ao amin'ny tapany  avatr’ity distrika iray ity.

Onesime Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT