Fandriampahalemana

Ambilobe Nosoran’ny olona sakay ny mason’ilay mpangalatra moto


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Lehilahy iray no tratra nangalatra moto tany amin’ny distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA afak’omaly tokony tamin'ny 2 ora maraina. T

eny akaikin’ny "pharmacie" vaovao ao Ambilobe no nahatrarana azy io ka rehefa tratra ny lehilahy dia nosoran’ny olona sakay ny masony. Ny mba hahafahana manafay azy sy tsy hanao ratsy intsony amin’ny alalan’ny fitsiriritana fananan’olona noho ireo masony ireo ka mitarika azy hangalatra no anton’izany. Nijafajafa tsara moa ilay Ranamana ity nandritra izany ary naterin’ny fokonolona tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana avy eo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT