Fandriampahalemana

Ambavahaditokana Itaosy Maty voatsatok’antsy ilay mpitondra taxi-moto


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Raha ireo mpitondra taxi moto hatrany teo aloha teo no voalaza fa mpitondra olona mitsoaka ary maka ny entana sy ny fananana rehetra entin’ilay olona dia efa lasibatry ny mpanendaka ihany koa izy ireny amin’izao.

Taxi moto iray nanatitra lehilahy iray teny Ambohimarina-Ambavahaditokana Itaosy ny alarobia alina lasa teo no lasibatr’izany. Rehefa nijanona izy ka nanala ilay mpandeha dia notsatohan’ity farany tamin'ny antsy ny tendany. Na izany aza mbola nahavita niady ihany izy sady niantso vonjy. Voatazony vokatr’izany ny kitapon'ity nanindrona antsy azy ka tavela teo ny findainy.Nentin'ny olona haingana tany amin'ny hopitaly moa ilay mpitondra taxi moto ka mbola nahavita nitantara ny nahazo azy. Noho ny ra be very loatra taminy anefa dia dia namoy ny ainy ihany izy. Mécanicien moa no asan’ity lehilahy ity teo aloha saingy nanana moto izy ka mba nanaovany taxi moto ilay kodiaran-droany. Namela kamboty roa moa ity mpitondra taxi moto. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny Ambavahaditokana Itaosy eny dia tena mahazo vahana tokoa amin’izao ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny. Ankoatra ny vono olona dia mirongatra ihany koa ny asa fanendahana indrindra raha vantany vao tratra hariva. Misy mpitandro ny filaminana anefa eny an-toerana raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT