Saron’ny polisy ao Ambatondrazaka ny ankohonana iray mpanamboatra basy poleta. Ny zanany lahy saika hanapoaka ilay basy tany an-tsena no niandohan’ny fanadihadiana.
Ao Antanifotsy Ambatondrazaka izy ireo no mipetraka ka ireo tapa-by sy fantsona miampy fantsika no fitaovana hamoronan’izy ireo ilay basy. Efa vita mialoha ny kisarisary handrafetana ilay basy. Efa an-taonany maro no nanaovan’izy ireo ilay asa araka ny fitantaran’ilay raim-pianakaviana mpanefy ilay basy. 30.000 Ariary no hivarotan’izy ireo ny basy iray ka saika olona mipetraka ivelan’Ambatondrazaka no nividy azy. Efa miisa fito ny basy lafo araka ny nambarany tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Omaly zoma 22 desambra izy ireo no natolotra ny Fampanoavana. Nanamarika ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena Ambatondrazaka fa mety anisan’ny mampirongatra ny fanafihan-jiolahy tao ho ao ny fisian’io mpanamboatra basy poleta eto Ambatondrazaka io.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.