Fandriampahalemana

Ambatondrazaka Nisy namono ilay ramatoa be avy naka “pension”


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Efa tena miharatsy ny fiainana. Ramatoabe 71 taona avy naka vola fisotroan-dronono no fantatra fa nisy namono tao an-tokantranony tao amin’ny Fokontany,Tanambao distrikan’Ambatondrazaka.

 Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia mipetra-drery ity renim-pianakaviana ity. Efa nisy roa andro anefa izy io tsy hitan’ny fiaraha-monina ka nanaitra ireto farany. Nihidy be rahateo ny trano. Ny zanany tonga avy any Antananarivo tamin’ny faran’ny herinandro teo noho izany no nahita ny razana efa nitsirara tao afovoan-trano. Nopitsohan’ilay zanany ny trano nihidy avy any ivelany ka ny vatana mangatsiakan-dRatompokovavy sisa no hitany teo. Feno mangana maro tamin’ny faritry ny vatan-dRamatoabe. Tombanana ho nisy nanafika sy namono ity renim-pianakaviana hoy ny vaovao. Tsy hita tao an-tokantranony intsony moa ny taratasy fakàny fisotroan-dronono sy ny findainy nandritra izany. Tsiahivina moa fa talohan’ity vono olona mahatsiravina ity dia tovovavy iray ihany koa no tratry ny fanolanana faobe tany Ambatondrazaka.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT