Basy Kalachnikov miaraka amin’ny bala 24 no saron’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ranofotsy kaominina Andilanatoby ny faramparan’ny herinandro teo.
Olona roa avy any Anjozorobe no saika hanondrana ny entana tao Ambatondrazaka. Ankoatra izay, nahatrarana basy vita gasy niaraka tamin’ny bala ihany koa tao amin’ny fokontany Atanifotsy kaominina Ambatondrazaka. Ireo zandary manao fisafoana amin’ny alina no nahita io basy io. Vao nahita ireo mpitandro ny filaminana ireo jiolahy dia vaky nandositra fa ny basy kosa tavela. Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro ny filaminana hatrany no nahafantarana fa manomboka miparitaka ao Ambatondrazaka ny vola sandoka 10.000 ariary. Olona niharan’ilay vola sandoka no nampandre ny zandary tao amin’ny Holafy Ambatondrazaka. Amin’ny andro alina no hanaparitahan’ireo jiolahy azy ireny. Miantso fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka hatrany ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Ambatondrazaka Ramboasalama Bruno hahafahana manenjika ireo mpanao ratsy.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.