Fandriampahalemana

Ambatomanoina-Anjozorobe Maty voatifitra ny Talen’ny CEG, very ny 4 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Antsahavola Anosikely, Kaominina Ambatomanoina Distrika Anjozorobe Faritra Analamanga

 

 

 

 ny zoma 23 aprily 2021, vao maraina be. Lasibatra ny tokantranon-dRafalimanana Jean Charles , Talen’ny CEG ao an-toerana Cisco Anjozorobe . Nanao amboletra niditra tao an-trano ireo jiolahy fito mitam-basy, ary nitaky ny hanomezana azy ireo ny vola. Nanohitra ilay mpampianatra ka norarafan’ireo jiolahy ny tifitra. Naratra mafy izy. Norobain’ireo jiolahy ny vola manodidina ny efatra tapitrisa Ariary eo, dia lasa izy ireo. Nifamonjena nentina namonjy toeram-pitsabona ny naratra saingy tsy tana ny ainy. 43 taona izy izao lavo izao. Efa nisy nanafika tao an-tranony ihany koa ity mpampianatra ity taona vitsy lasa izay. Nirongo basy mahery vaika ireo mpanafika. Tafatsoaka ara-potoana ireo vady aman-janany, ary nanavo-tena nitsambikina avy eny an-davarangana ity ramose ity. Eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, hikarohana ireo nahavanon-doza sy izay mety ho mpitsikomba amin’izao famonoana ny Talen’ny CEG Ambatomanoina izao.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT