Rongony milanja 5 taonina sy 100 kg no tratra nodorana tao amin’ny distrikan’ Ambanja ny12 novambra lasa teo.
Tratra niaraka tamin’izany koa ny menaka jamala 3,5 litatra. Vokatra azo tamin’ny « opération » nataon'ny zandary nanomboka ny 12 oktobra hatramin'ny 02 novambra tany Agnalabe lasa teo izy ity. Nisy rongony 200 kg hafa koa no efa nodorana tany an-toerana, talohan’izao nahatrarana ireto rongony sy menaka rongony ireto izao. Niatrika ny fandoroana ireto rongony tratra ireto ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’Antsiranana, ny prefen’Antsiranana, ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Diana, ary ny solombavambahoaka sy ny manam-pahefana maro any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.