Manjaka tanteraka ny asan-jiolahy any amin’iny distrikan’ i Betafo iny. Tokantrano, fivarotana, sns…
dia lasibatry ny jiolahy avokoa ka tsy misy tahotra intsony fa dia miakatra ao an-tampon-tanana mihitsy ireo olon-dratsy. Ankoatra izay dia mirongatra koa ny fambolena rongony izay tranga matetika hita tamin` ny taon-dasa. Manoloana izany dia hajoro ao Ambalavato, kaominina Betafo ny birao manara-penitra vaovao ho an'ny kaomisarian’ny polisy. Nidina tany an-toerana ny nametraka ny tsato-bato ho fanombohan'ny asa fanamboarana io Biraon'ny Polisy io ny Governora ny Faritra Vakinankaratra Vyvato Rakotovao ny faran’ny herinandro lasa teo. Haharitra efa-bolana ny fananganana ity birao vaovao ity. Tanjon’ny ministeran'ny filaminam-bahoaka, ny mba ahafahan’ny Polisim-pirenena manakaiky ny vahoaka hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.