Mpivaro-mandeha nitondra fiara mpitety tsena ambanivohitra no voatafiky ny jiolahy mirongo basy sy famaky ary vato, tao amin’ny Kaominina Alatsinainikely Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, afak’omaly alatsinainy, sahabo ho tamin’ny telo ora tolakandro.
Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena any Analavory, nandeha nody ireo mpivarotra. Afaka 1 km avy eo amin’ilay Kaominina nisy ny tsena, nanafika ny fiara marika “Peugeot 404 baché” nitondra ireo “marchands ambulants” ny jiolahy telo lahy. Ilay nahazo taona nitora-bato, ilay lazondazony nitondra famaky ary nikapa ny lohan’ilay tompon’ny entam-barotra ka naratra ary ilay zandriny nandrahona tamin’ny basim-borona. Nony vaky voatoraka ny fitaratra, noraofin’ireto malaso ny vola rehetra tao anaty harona. Efa misy naman’ireo zandary ihany miasa eo an-toerana fa nanampy mpitandro ny filaminana avy aty Analavory izy ireo, rehefa naharay antso maika. “Afaka 30mn, nifanjevo tanaty fifampitifirana izahay sy ny dahalo. Rehefa avy nampiomana tamin’ny tifi-danitra in-droa, ka tsy nijanona ireo telo lahy, voatery nitifitra ireo ekipanay ka lavo ny jiolahy iray ary nitolo-batana ny iray hafa namany fa ilay zandriny kosa tafaporitsaka”, hoy hatrany ny zandarin’Analavory. Ankoatra ny fitaovam-piadiana sy ny vola lasan’ity farany, tafaverin’ny zandary amin’ny mpivarotra ny ambim-bola 600.000AR. Mbola mitohy ny fikarohana ilay tafaporitsaka, izay zanak’ilay nitolo-batana ihany. Efa nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay voafira famaky.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.