Nosamborin’ny miaramila afak’omaly ary naterin’ireo mpampandry tany tany amin’ny zandary niaraka tamin’ny zanany ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha voafidy tao amin’ny distrikan’i Mahabo sy ny lehilahy nipetraka tao aminy.
Fahatrarana fitaovam-piadiana tsy natokana hotazomin’ny sivily no nanamborana azy. Tra-tehaka nandritra izany ihany koa ny toaka gasy 20 bidao sy lelavola 3.000.000.000 Ariary. Nandrita ny ora maro ny fiakarana fapanoavana tao Morondava. Niara-nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy telo ireo. Raha ny loharanom-baovao tany an-toerana dia niandry ny andro hariva mihitsy vao nampidirina fampanoavana ireto voarohirohy ireto. Nandeha ny feo fa natahotra fitsaram-bahoaka ny manampahefana tany an-toerana. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary miasa any an-toerana anefa, fitia te hijery fotsiny ihany no tao amin’ireo mponin’i Morondava. Nihevitra ireo mpitandro ny filaminana fa raha nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo no nahiana ny sahotaka. Noho ny herin’ny vahoaka tany an-toerana, tsy maintsy nisafidy izay fampidirana am-ponja vonjimaika izay ireo mponina. Mbola maro aza no nanaradia tamin’ny fanaterana tany amin’ny fonja fa velon’ahiahy ireo mponin’i Menabe sao votsotra an-dalana. Marihina moa fa nifanohana tamin’ny fitondrana teo aloha izy ary mbola nirotsaka ho mpifaninana amin’ny fifidianana ny 27 mey ho avy izao amin’ny loko politikan’ny tsy miankina. Ny andefimandriny no laharana faharoa ao anaty lisitra. Mahazo aina hatrany ny Sefafi mikasika ny mpirotsaka hofidiana Solombavambahoaka izay heverin’izy ireo fa misy jiolahy araka ny fanambarany, saingy miandrandra ny olom-pirenena mba tsy hisy mizana tsindrin’ila ny fanamborana ireo kandida heverina fa olon-dratsy.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.