Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Akanjo toy ny olon-drehetra mba tsy hisy hahafantaran’ny jiolahy azy no anaovan’ny mpitandro ny filaminana, efa ho roa herinandro izay hijokoana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritra mavaivay.

 

Raha 300 andavanandro, nampitomboina ho 950 koa ireo polisy mpanangom-baovao. Efa manana angom-baovao marim-pototra ny polisin'ny UIR(Unité d’Intervention Rapide) mikasika ireo mpanendaka eny amin'ny faritra mafana. Efa miandry fotsiny izy ireny ka miditra an-tsehatra avy hatrany raha vao misy manao fihetsika hafahafa. Ny sabotsy lasa teo, jiolahy iray no lavon'ny polisy teny ambadiky ny FOP 67ha. Tamin’ny talata 7 mey tamin’ny 6ora30mn maraina, jiolahy 4 indray no tratran’ny UIR. Vao nahita ny polisy nanatona izy ireo izay saika hanendaka olona iray teny Andavamamba dia vaky nandositra ka raikitra ny fanenjehana. Tany Anatihazo Isotry vao tratra ny 3. Ny iray kosa tsy nanaiky ny hosamborina fa nitsoaka na dia efa najanon'ny polisy aza dia voatifitra ka maty. Natolotra ny fitsarana avy hatrany izy telo lahy ireo fa ny iray lavo efa naterina teny amin'ny tranom-paty.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT