Eo anatrehan’ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao dia misy zavatra toa sarotra tanterahina. Inona moa no ilana “drône” ho amin’ny fanenjehana dahalo.
Lafo vidy ka ny firenena sasany matanjaka aza tsy manana an’izany, hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’ny andron’ny tetezamita Jeneraly Rakotondrasana Noel. Zava-dehibe ihany koa ny fampitaovana ny mpitandro filaminana hahafahany mamokatra, ka tsy ho vesatra mety hiteraka fandaniana ara-bola fotsiny. Tamin’ny fotoan’androko, dia ny zavatra saika hataonay, ary nisy tolo-kevitra fifampidinihana teo anivon’ny tompon’andraikitra amin’ny alalan’ny fametrahana rezimanta misy olona 500 lahy isaky ny faritra. Miara-mandray andraikitra ny mpitandro filaminana, ny tribonaly, ny atitany hifehy ny olona tompon’andraikitra amin’ny fandrindrana ny fandriampahalemana. Mifamatotra betsaka amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ihany koa ny fifehezana ny fandriampahalemana. Izay no noeritreretina nanomboka ny volana mey 2010, raha ny nambarany, saingy nesorina izy ny 6 aprily 2010, izay heverina ho nanelingelina ny afera maloton’ny mpitondra tamin’izany. Tapaka teo io, ka rava ny tanjona naroso nikendrena ny hanena 60% ny tahan’ny tsy fandriampahalemana. Nisy ny paikady, saingy tsy nisy nanao intsony, ary aty aoriana dia somary endrikendrik’izany ny fananganana ny BIA (Bataillon Inter-Armes) amin’izao fotoana izao, raha ny fanehoan-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.