Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Maro ny zavatra tokony hahitsy, hoy ny Praiminisitra


  • Talata 05 Martsa 2019

Nitsidika ny tananan’i Maevatanana, ao amin’ny Faritra Betsiboka ny Praiminisitra Ntsay Christian notronin’ireo minisitra voakasiky ny fandriampahalemana sy ny fanapariaham-pahefam-panjakana omaly.

 

 

 Nijery ifotony ny firindran’ny asam-panjakana sy ny filaminana eny anivon’ny Faritra. Fotoana ihany koa, nahafahana nametraka ny drafi-pitondrana vaovao, izay nanentanana ny rehetra mba havitrika amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny ary hanitsy ny fomba fitantanana amina sampan’asa maro miankina amin’ny fanjakana. Nandritra ny fitsidihana dia nisy ny fihaonana tamin’ireo vondrona foibe ho amin’ny  fandriampahalemana (Organisme Mixte de Conception – National) sy ny vondrona ho amin’ny fandriampahalemana eny anivon’ny Faritra (Organisme Mixte de Conception  Régionale) sy ny mpiasam-panjakana miasa eny anivon’ny lafin-tany, narahin’ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mponina tany an-toerana, nandraisana ny hetahetan’izy ireo. Nilaza izy fa betsaka ny antony mahatonga ny tsy fandriampahalemana sy mbola ahitana tranga fakàna an-keriny, ary misy hatrany ny Malagasy mamoy aina. Ny tena anton’izany dia ny tsy fahasahiana mandray andraikitra sy mandray fepetra, ny fisian’ny firaisana tsikombakomba, fa indrindra ny fanaovan’ny mpiasam-panjakana asa hafa amin’ny toeran’ny asa izay nanirahana azy, na koa ny firotsahany eo amin’ny sehatra politika,... Maro, hoy izy, ny zavatra tokony hahitsy mikasika ny fomba amam-panao tsy nety teo aloha. Nampahatsiavin’ny Praiminisitra ihany koa fa noresahana matetika teto amin’ny firenena ny fametrahana fitsinjaram-pahefana tena izy, ka ho fanantaterahana izany no nahatonga ny Filoha hametraka ny governoram-paritra. Nasian’ny Praiminisitra resaka ihany koa ny amin’ireo mpitandro ny filaminana : samy miaro ny zo maha olombelona daholo na ny zandary na ny polisy, eny na ny tafika, hoy izy, ary tsy misy mpitandro ny filaminana mitifitifitra olona tsy amin’antony, fa matoa nisy ny tifitra iray avy amin’ny tafika dia tahaka ny zandary sy ny polisy ihany izy, nandray ny andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT