Nosokafan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Mahazoarivo ny Atrikasa hijerena paikady mahomby sy maharitra mahakasika ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy.
Fivoriana izay ahitana ny fandraisan’anjaran’ny minisitera mpiahy mivantana ny fandriampahalemana, dia ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny minisiteran’ny fitsarana, ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandariamariam-pirenena ary ireo tompon’andraikitra ambony ao anatin’ireo minisitera ireo. Maharitra roa andro ity fivoriana ao amin’ny « villa basse » Mahazoarivo ity, izany hoe hifarana anio. Tohin’ny fampanantenan’ny praiminisitra, tamin’ny « team building » tany Mantasoa ny 14-15 febroary amin’ny hampivoriany ireo tompon’andraikitra misahana ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara izy io. Tanjona ny fijerena paikady isaky ny distrika sy kaominina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Nivoitra fa olana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ny tsy fisian’ny fifandrindrana eo amin’ny tompon’andraikitra isaky ny minisitera amin’ny fomba fiasa. Araka izany, fotoana entina hanarenana ny tsy mety amin’izao fotoana izao. Miseho amin’ny endrika maro ny tsy fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ny any ambanivohitra, ny fanakorontanana, ny fampielezana vaovao tsy marina amin’ny tambajotra serasera. «Tsy nikely soroka amin’ny fametrahana ny fanamby amin’ny tsy fandriampahalemana ny fitondram-panjakana, saingy mbola misy ny indro kely satria taona tokony hametrahana ny fitoniana izao. Tsy maintsy nanao izao hetsika izao ny fitondrana mba hisian’ny fitoniana sy fandrosoana », hoy ny nambaran’ny praiminisitra. Nohamafisiny fa mila finiavana sy fandraisana andraikitra ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana”. Tsy kabary tsara lahatra intsony no tian’ny vahoaka … Mino aho fa aorian’ny 2 andro dia hisy vokany any amin’ny vahoaka izao fivoriana izao , hoy ny praiminisitra. Tsikaritra ho efa tena mahomby tokoa ny fanetsehana ny mpitandro ny filaminana raha hamotehana ny mpifanandrina politika amin’ny fitondrana, izay hirariana ny hiitaran’izany amin’ny fametrahana ny tena fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.