Anisan’ny mbola voasokajy ho ao anatin’ny faritra mena amin’izao ny Faritr’i Besarety ao anatin’ny Boriborintany fahatelo. Ankoatra ny rano miakatra rehefa fotoam-pahavaratra izay mamono olona hatrany amin’ny ankapobeny dia mahazo vahana ihany koa ny tsy fandriampahalemana.
Olona roa isan’andro raha kely no lasibatry ny mpanao sinto-mahery eny an-toerana, efa nisy ihany koa ny voaolana. Misy ihany koa ny vaky trano na dia amin’ny andro antoandro aza nefa mbola hifampitadiavana ny fiantsoana ny mpitandro ny filaminana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy ny fananan’ireo mpanao ratsy fitaovana arifomba. Mba hanampiana ireo mponina eny an-toerana ary dia natsangana eny an-toerana ny Shop Airtel iray hanamorana ny fividianan’ny olona finday sy hahafahany mifandray mivantana amin’ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny famatsiana finday ireo tompon’andraikitra eny an-toerana hahafahana manafaingana ny fisamborana ireo mpanao ratsy izay fantatra fa tena mitombo isa tokoa ankehitriny. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy izany izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska sady hanatsarana ny fiainan’ny mponina eny an-toerana amin’ny ankapobeny. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny delegen’ny boriborintany fahatelo sy Atoa Dina Mallet, tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasam-pifandraisana iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.