Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Basy miisa 846 nopotehina tetsy Analakely


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Dingana ho amin’ny firosoana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no antony namotehana ampahibemaso ireo basy miisa 846 tetsy Analakely nandritry ny fankalazana ny iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fahazoam-basy tsy ara-dalàna omaly,

 

 raha ny nambaran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Beni Xavier Rasolofosoa. Basy tsy ara-dalàna azo tamin’ireo karazam-panafihan-jiolahy sy dahalo nandritry ny fifampitifiran’ny mpitandro ny filaminana sy ireo olon-dratsy nanerana ny nosy izy ireto, hoy ny minisitra. Misy mahery vaika toy ny Kalachnikov, fusil automatique ary pistolet automatique tamin’izy ireo ary nisy basim-borona ihany koa. Havarina any an-dranomasina moa raha ny fanazavana ny potik’ireto basy ireto ary tsy fihetsiketsehana velively izao fa hatao fanao mandavan-taona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT