Fandriampahalemana

Ady amin’ny Kidnapping Vonona hanampy ny Frantsay


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Hiatrika fe-potoana tena manan-danja ho azy i Madagasikara afaka fotoana vitsy ka tokony hohamafisiny ny fisian`ny mangarahara amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena sy solombavambahoaka manaraka, hoy ny masoivoho Frantsay, Veronique Vouland-Anéini.

 


 

Nisongadina tao anatin`ny lahateniny nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay, ny sabotsy 14 jolay lasa teo  fa mitaky sy manohana fifidianana manara-dalàna sy eken`ny rehetra ny frantsay.  Matoky ny fahaizan`i Madagasikara  sy hanampy hanatratra an`io fanamby io i Frantsa. Tsy hitanila ihany koa ny firenena frantsay ary ny faniriany tokana dia hanotrona ireo izay manana andraikitra  hanatanteraka fifidianana tsy iadian-kevitra ka hamela ny mpifidy Malagasy hisafidy marina ny filoham-pireneny sy ireo solombavambahoakany. Fifidianana hiaro azy ireo amin`ny krizy izay mety hitranga aorian`ny fifidianana.  Nampatsiahivin`ny masoivoho Frantsay ny fiaraha-miasan`ny firenena roa tonta ary nitondrany teny manokana ny mikasika ny fakana an-keriny izay manimba ny endrik`i Madagasikara manoloana an`izao tontolo izao.  Hanampy hiady amin`izany ny vondrom-piarahamonina frantsay ary ny tanjona dia hiaro ireo olona miaina ao anatin`ny tahotra sy herisetra izay mianjady azy ; voakasika manokana amin’izy ity ireo teratany Indiana mizaka ny zom-pirenena Frantsay.Maro ny antso efa nataon’izy ireo tamin’ny fitondram-panjakana saingy mbola mitohy ihany ny fakana an-keriny ary maro ny zavatra manjavozavo manodidina ilay izy. Mifototra amin`ny fifampitokisana kosa ny fifandraisana eo amin`i Madagasikara sy Frantsa ary anisan`ireo mpiara-miasa akaiky amin`ny fampandrosoana eo amin`ny sehatra maro hafa  ny firenena frantsay, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Dovo Eloi Alphonse Maxime. Mamerina etoana ny finiavana hanaovana fifidianana mangarahara andraisan`ny rehetra anjara ny governemanta Malagasy mba haneken`ny rehetra ny voka-pifidianana sy hitondra fitoniana politika eto amin`ny firenena. Vonona ihany koa hitady vahaolana amin`ny tsy fandriampahalemana ny fitondram-panjakana raha ny nambaran`ny minisitra Dovo Eloi Alphonse Maxime.  Olona manan-kaja sy sivily maro no tonga nanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay. Hita teny an-toerana ireo minisitra sy olom-boafidy, fiarahamonim-pirenena ary vahiny maro hafa nasaina.  Nomarihana ny sabotsy lasa teo teny amin`ny toeram-ponenan`ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara teny Ivandry izany fankalazana ny fetim-pirenena frantsay.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT