Nanao tatitra momba ny fandriampahalemana, indrindra ny resaka asan-dahalo ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra, Lehiben’ny serasera sy ny filaminana omaly teny amin’ny Toby Ratsimandrava.
Tamin’ny 2017 dia niisa 30 000 teo ho eo ny omby very ary manodidina ny 3000 latsaka eo ny olona voasambotra ary efa natolotra ny fitsarana. Tao anatin’ny 5 taona farany, dia nahafatesana olona 4000 ny resaka halatra omby, ka ny 3000 amin’ireo dahalo, ary ny 1000 fokonolona, ary nisy ihany koa ny mpitandro ny filaminana manodidina ny 100. Nisy ihany koa ny olona voasambotra efa ho 10000 satria manodidina ny 2000 isan-taona no voasambotra. Eo anatrehan’izany dia manao antso ny zandarimaria ho an’ireo mahatsiaro ho tompon’andraikitra sy to teny, olom-boafidy, ary mahatsiaro ho tsara sitrapo eo anivon’ny fiarahamonina mba handray andraikitra. Olana eo anivon’ny fiarahamonina rahateo io, hoy ny kolonely Ravoavy Zafisambatra satria faharesen-dahatra amin’ny endriny ratsy ny resaka asan-dahalo, ka ny zava-dehibe hiantsoana ny fiarahamonina dia ny fanaovana izany ho amin’ny tsara. Eo am-panomanana ny paikady vaovao ny mpitandro ny filaminana hiatrehana ny resaka halatr’omby ny satria olona aman’aliny tokony hamokatra no voasambotra sy maty, ka andraisana fepetra miavaka. Handray fepetra lehibe ihany koa amin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena na an-drenivohitra na ambanivohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.