Fandriampahalemana

Ady amin’ny asan-jiolahy any Toamasina Mihetsika mafy ny mpitandro filaminana


  • Talata 03 Aogositra 2021

Lehilahy 2 voatondro fa jiolahy no lavon'ny balan'ny FIP Toamasina omaly tokony tamin'ny 3 ora maraina, tao amin’ny Dépôt Analankininina.Vehivavy 2 sy lehilahy 4 hafa ahiana ho mpiray

 tsikombakomba amin'izy ireo ihany koa no azo sambom-belona raha araka ny loharanom-baovao hafa azo.Nisy poleta iray vita frantsay miampy bala nampiasain'ireo voalaza ho andian-jiolahy ireo no nogiazana, raha toraka izany koa ny moto miisa 2. 5 amin'izy ireo hatreto no fantatra fa izao maty voatifitra tato anatin’ny 10 andro, rehefa nifanandrina tamin'ny polisy.Raha ny fantatra hatrany moa dia mpanafika cash point ity fikambanan'olon-dratsy noravaravan’ny FIP ity.Raim-pianakaviana 2 kosa raha tsiahivina efa namoy ny ainy sy lasibatra vokatry ny tifitra nataon’ireto jiolahy ireto. Vola mitentina 20 tapitrisa Ar no lasan’ireo tsy mataho-tody nandritra izany.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT