5 andro nanomboka ny alatsinainy teo ary nifarana omaly no nikaonan-dohan’ireo lehiben’ny zandarimaria manerana ny nosy mba hijerena izay paikady vaovao ahafahana mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara.
Tetsy amin’ny toby Ratsimandrava etsy Andrefan’Ambohijanahary moa no nanatontosana izany ary, araka ny fampahafantarana nataon’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Jean de Dieu Daniel Ramiandrisoa, dia isan’ny tranga mpiseho matetika tao ho ao ny fahafatesana zandary am-perinasa rehefa misy trangan’asa ratsy any Ambanivohitra any. Satria moa any ambanivohitra no tena sehatyra sahanin’ny zandarimaria dia fanapahan-kevitra noraisina ny fandefasana ampahany amin’ireo zandary miasa eto an-drenivohitra hiasa any satria nihena ny isan’ny zandary noho ny fisian’ireo namoy ny ainy.
Nihena ny asan-dahalo fa nitombo ny omby very
Raha 40 na 50 teo aloha teo no isan’ny omby lasan’ireo dahalo anaty fanafihana iray, raha ny tatitra omaly, dia lasa maherin’ny 100 izany tato ho ato ary tsy 15 toy ny teo aloha intsony ireo jiolahy miaraka mangalatra omby fa miisa 50 na 100 koa. Lesoka hita araka izany ny fiovan’ny tranga eny an-tsehatra, hoy ny tomponandraikitra ka liana paikady vaovao. Raha niisa 2037 tamin’ny taon-dasa ny halatr’omby niseho manerana ny nosy dia 1854 izany hatreto. Raha niisa 47779 kosa anefa ny omby very tamin’ny taon-dasa dia hatreto lasa 50139. Nisondrotra ho 51% kosa ny taham-pamerenan’omby tamin’ny tompony raha 50% izany teo aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.