Tsy vao izao ny nisian’ny resaka dahalo teto amin’ny firenena fa efa hatry ny ela, ary vao mainka miha mahazo vahana hatrany.
Tsy mionona amin’ny resaka omby intsony fa hatramin’ny olona aza alaina an-keriny sy rahonana hovonoina raha tsy mandoa volabe ny fianakaviana, toy ny miseho any Malaimbandy. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia nalaza ny raharaha « Remenabila », izay tsy fantatra mazava ny niafarany. Ny fahitana azy aza, dia toa natao nandiovana faritra maro nanesorana ny olona tamin’ny toeram-ponenany hahafahana mitrandraka ny harena. Efa nisy ny tolo-kevitra avy amin’ny Frantsay amin’ny fahafahany manampy an’i Madagasikara amin’ny resaka angidimby satria manana « hélicoptère de guerre » ny Frantsay atsy amin’ny Nosy La Réunion, saingy ny mpitondra no toa nanda. Midika ho politika maloto sy fanaovana kilalao ny resaka asan-dahalo mihitsy io raha halalinina, izay heverina avy hatrany fa ireo mafia miketrika ambadiky ny fandraisana sy mety ho fanondranana ireo omby no ao amdadika. Saika isaky ny mikabary ny masoivoho Frantsay Véronique Vouland, indrindra rehefa fetim-pirenena Frantsay, dia manao tsindry paingotra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, izay tsy voafehintsika. Vao ny 14 jolay teo no nilaza ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, toy ny fakana an-keriny izay lasibatra ireo mizaka zom-pirenena Frantsay, saingy tsy hita firy aloha ny vokatry ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.