Tafapetraka any amin’ny kaominina Fihaonana any amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava ny Vondron-tobin-tafika Iraisam-piadiana na ny “Bataillon Inter-Armes” na BIA, ka ity no faharoa taorian’ny any Ihosy, Faritra Ihorombe.
Natao hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra anisan’ny anjakan’ny asan-dahalo iny izy io, ka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika,… no nitarika ny lanonana notronin’ireo manampahefana isan-tsokajiny tany an-toerana. Toy ny tany Ihosy, dia manana angindimby hanenjehana dahalo ihany koa ity BIA faharoa ity, ka Ankoatra ny famatsiana solika aza io, dia nanolotra quad 4x4, motocross, drones, ary fanamiana miaramila ihany koa ny filoha. Fanamby apetratsika, hoy izy, ny hanafoana ny asan-dahalo izay mampahory ny tontolo ambanivohitra. Ampy izay ny famoretana ny vahoaka ary horaisin’ny Filoha an-tanana manokana ny fitarihana izany ady amin'ny dahalo izany. Nampitandrina ireo miray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy ireo ihany koa izy ary niantso ny vahoaka mba hiara-kiasa amin’ny tompon’andraikitra mahefa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.