Tsy tapitra hatreo ny raharaha momba ny fisian’ny volabe 12 miliara ariary nisy nangalatra tao an-tokantranon’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, nolazain’ny haino aman-jery vitsivitsy teto amintsika nanomboka tamin’ny herin’ny anio.
Efa nandiso io vaovao io anefa ity lehiben’ny governemanta ity andro vitsy taorian’iny resaka iny. Nisy aza ny teny somary namazivazy nataony fa tsy nanao praiminisitra intsony izy raha manana izany. Misy resaka hafa miely indray anefa amin’izao fotoana izao mombana lehilahy iray tratra niaraka tamina volabe 800 tapitrisa ariary tany Mananara avaratra, ka mandeha indray ny feo fa isan’ny vola very tao amin’ny praiminisitra izy io. Tena misy hifandraisana tokoa sa fifandrifian-javatra ihany? Nambaran’ny lehiben’ny governemanta fa vaovao tsy marina iny nivoaka iny, saingy tsy nisy aloha ny taratasy ofisialy avy aminy aza nandiso izany, na koa fanambarana amin’ny handraisany fepetra hentitra amin’ny fanosoram-potaka azy. Rehefa dinihina ny zava-nisy sy ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra, dia toa nandamin-dresaka aza no nataony. Saro-pady sy tena miteraka resabe eto amin’ny firenena ny tahaka ireny, indrindra fa olona ambony tahaka ny praiminisitra voatonontonona. Mety mba efa nisy anefa ny fandinihana lalina na ny fanamarinam-baovao vao mivoaka amin’ny haino aman-jery, ka matahotra ny hivoahan’ny marina ve ny praiminisitra matoa nisafidy ny nangina fa tsy nanao fanenjehana tamin’iny raharaha iny? Ho an’ny olom-pirenena, dia efa tsy mahatoky mpanao satria efa fatra-pandainga ny ankamaroany, ka tsy hay intsony hoe inona no marina sy diso ao anatin’ny raharaha. Nalaza tato ho ato rahateo ny resaka volabe, ary nisy fotoana aza nandrenesana tamin’ireny fanombohan’ny feo momba ny fanambazana ny depiote hifidy ny lalàm-pifidianana ireny, fa solombavambahoaka maro no nampanantsoina teny Mahazoarivo. Malaza amin’io resaka fizaram-bola io ny governemanta ka tsy hay intsony izy ity, fa ny tsy azo lavina aloha dia miha mahantra ny Malagasy, ary manjaka hatrany ny kolikoly avo lenta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.