Fandriampahalemana

67Ha. Halatra moto Roalahy nifanehitra tamin’ny polisy


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Mahana ! Ny iray tratra, ny namany hafa kosa nanjavona rehefa nifampitady tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Kaodikaody avy hatrany izy ireo ka tonga dia nanatanteraka ny asany ny mpanao fisafoana.

 

 

Raha iverenana ny tantara, nanao tari-dositra ireo roalahy nanosika môtô raha vao nahita ny fiaran’ireo polisin’ny CSP7 saika nifanehatra tamin’izy ireo. Teo am-pisafoana ny Faritra 67Ha Avaratra Atsinanana izy  ireo ny zoma 25 janoary tamin’ny 7 ora maraina teo no nahatsikaritra ireo olon-dratsy nirifatra nitsoaka. Araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny polisim-pirenena eo Anosy, narian’izy ireo avy hatrany teo amin’ny lalana saika nifanenana ilay moto. Nanenjika avy hatrany ny  polisin’ny CSP7. Ny iray no tra-tehaka, taorian’ny fifanjevoana fa ny iray hafa tafaporitsaka tany anelakela-trano.

Niaiky ny heloka vitany ilay voasambotra, nandritra ny famotoran’ny mpitandro ny filaminana. Voalazan’ity farany fa tany Alasora no nakan’izy roalahy an-tsokosoko sy nanosehany ilay moto. Efa notanana am-ponja vonjimaika izy. Mbola mifanome tanana manohy ny fikarohana ilay namany tafatsoaka kosa ny mpitandro ny filamanana eto Antananarivo Renivohitra sy ny avy amin’ny Faritra manodidina. Marihina fa vao 20 taona ilay tra-tehaka. Raha ny trangam-piarahamonina tato ho ato no zohina, saika zatovo erotrerony avokoa, tsy lahy tsy vavy, na ambanivohitra na an-drenivohitra ireo mpanao asa ratsy tratra.

Haja Nirina

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT