Raha tiana ny hamotika firenena iray dia ny kolontsaina sy ny fanabeazana ao
‘
aminy potehina voalohany, hoy ny fehezanteny malaza iray izay. Mampametra-panontaniana tokoa ankehitriny hoe aiza ho aiza no tena anjara toeran’ireo lafin-javatra roa ireo eto amin’ity firenena ity? Ny zava-misy hitan’ny maso sy ny fanazavan’ireo mpahalala sy manam-pahaizana ary mpandinika ireo sehatra ireo aloha dia isan’ny milaza fa anatin’ireo sehatra tsy mbola tafapetraka amin’ny toerana tena tokony hisy azy ireo sehatra miisa 2 ireo mba tsy hilazana hoe tsy tomombana sy ankilabao. Mahonena hatrany ny maheno fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasa-manilan’ny Malagasy, T3 ny fari-pahalalan’ny ankamaroantsika, raha ny tarehimarika navoakan’ny sehatra mpanadihady izany. Iaraha-mahalala sy mahita kao anefa, raha ny fotodrafitrasa momba ny fanabeazana fotsiny, fa marobe ny fanarenana tokony atao. Misy sekoly tsy misy tafo sy dabilio akory na misy ihany fa mitsingilahila any ambany ravinkazo any, izany hoe, fotodrafitrasa tsy mampifantoka ny saina araka ny tokony ho izy akory. Ny vahaolana hitan’ny mpitondra anefa toa vao mainka hanampy izay tsy fahatomombanana ara-psikolojika izay. Eto Madagasikara ihany, hoy ny vazivazy zarintenan’ireo mpanara-baovao izay no misy hoe vao hiditra hianatra dia hampanaovina “test de niveau”. Sady EPP amin’io no resaka. Vao mainka ho domboina ara-tsaina ve izany ny zaza Malagasy sasany hoe ianareo aty amin’ny EPP natokana ho an’ny tsy mahay satria tsy tafiditra tanatin’ny manara-penitra. Hita ho tsy maha resy lahatra, araka izany, ny finiavana asehon’ny fitondrana mikasika ny fanavotana ny fanabeazana eto Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.