Fampianarana

Fanavotana ny fanabeazana Malagasy Tsy maha resy lahatra ny fihetsiketsehan’ny fitondrana


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Raha tiana ny hamotika firenena iray dia ny kolontsaina sy ny fanabeazana ao

 

aminy potehina voalohany, hoy ny fehezanteny malaza iray izay. Mampametra-panontaniana tokoa ankehitriny hoe aiza ho aiza no tena anjara toeran’ireo lafin-javatra roa ireo eto amin’ity firenena ity? Ny zava-misy hitan’ny maso sy ny fanazavan’ireo mpahalala sy manam-pahaizana ary mpandinika ireo sehatra ireo aloha dia isan’ny milaza fa anatin’ireo sehatra tsy mbola tafapetraka amin’ny toerana tena tokony hisy azy ireo sehatra miisa 2 ireo mba tsy hilazana hoe tsy tomombana sy ankilabao. Mahonena hatrany ny maheno fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasa-manilan’ny Malagasy, T3 ny fari-pahalalan’ny ankamaroantsika, raha ny tarehimarika navoakan’ny sehatra mpanadihady izany. Iaraha-mahalala sy mahita kao anefa, raha ny fotodrafitrasa momba ny fanabeazana fotsiny, fa marobe ny fanarenana tokony atao. Misy sekoly tsy misy tafo sy dabilio akory na misy ihany fa mitsingilahila any ambany ravinkazo any, izany hoe, fotodrafitrasa tsy mampifantoka ny saina araka ny tokony ho izy akory. Ny vahaolana hitan’ny mpitondra anefa toa vao mainka hanampy izay tsy fahatomombanana ara-psikolojika izay. Eto Madagasikara ihany, hoy ny vazivazy zarintenan’ireo mpanara-baovao izay no misy hoe vao hiditra hianatra dia hampanaovina “test de niveau”. Sady EPP amin’io no resaka. Vao mainka ho domboina ara-tsaina ve izany ny zaza Malagasy sasany hoe ianareo aty amin’ny EPP natokana ho an’ny tsy mahay satria tsy tafiditra tanatin’ny manara-penitra. Hita ho tsy maha resy lahatra, araka izany, ny finiavana asehon’ny fitondrana mikasika ny fanavotana ny fanabeazana eto Madagasikara.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT