an’ny Firenena, hisokatra rahampitso ny faha-50 taona
Rahampitso zoma 24 aprily 2026 ny fanokafana ny faha-50 taonan’ny làlam-piofanana na Mention Ingénierie Minière iray amin’ireo làlam-piofanana miisa 16 eny amin’ny Sekoly ambony politeknika Antananarivo. Efa namoaka injeniera 800 mahery ankoatra ny « parcours Géo-énergie » izay efa namoaka 200 tao anatin’ny 8 taona. Isan’ny làlam-piofanana stratejika ho an’ny Firenena noho ny fananan’i Madagasikara harena an-kibon’ny tany karazany maro, ary saika ahitana izany manerana ny Nosy. «Efa anatin’ny fanomanana tanteraka, ary efa vonona ny zava-drehetra », hoy ny Filohan’ny komitim-pankalazana ny faha-50 taona Dr Randrianirina Jean José Désiré. Namafisiny fa tena zava-dehibe ity fanamarihana ity satria hisy ny fifankahitana eo amin’ireo maintimolaly, ny fametrahana vato fototry ny trano tsangam-baton’ny faha-50 taona, ary hananganana trano salé mba handraisana an’ireo mpitsidika samihafa tonga eny satria hatramin’izay dia mijorojoro. Aorian’ny fandraisam-pitenenana samihafa dia hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana, arahin’ny dinidinik’asa iarahan’ireo maintimolaly sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ireo zandry,... Nisy ny antso avo natao ho an’ireo maintimolaly, ka maro ireo zoky teo aloha vonona hifanotrona, hifanohana, hifanome tanana,... saingy nanamafy ny antso avo ho an’ireo izay mety mbola misalasala izy ireo.
FANOFANANA MIAVAKA SY TENA ILAIN’NY FIRENENA
« Anisan’ny voalohany amin’ny fanofanana mamoaka injenerian’ny harena an-kibon’ny tany, ary saika mivoaka avy ato ny ankamaroany eto », hoy i Dr Rakotosoa Harimalala Antenaina Herivola, Tompon’andraikitry ny Mention Ingénierie Minière. Nohazavainy, fa manana ny mampiavaka azy amin’ny fahafehezana lafin-javatra maro na « multidisciplinarités » ny manam-pahaizana mivoaka avy ao satria tena mitaky fahafezana zavatra maro ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ho an’ny Parcours STM (Sciences et Techniques Minières) dia afaka misehatra amin’ny fitandrahana avy hatrany, afaka miditra amin’ny tontolon’ny « recherche » na « exploration » na ny lafiny Géologie, afaka misehatra amin’ny tontolo iainana na HSE (Hygiène Sécurité et environnement). Maro no mitana andraikitra amina departemantan’ny tontolo iainana any amin’ny orinasa misahana ny harena an-kibon’ny tany fa betsaka ihany koa ny misehatra amina lafin-javatra hafa mihitsy toy ny BTP (Bâtiment et Travaux Publiques) satria isan’ny ampianarina ao ny « géotechnique », … Ho an’ny parcours faharoa dia ny « géo-énergie » indray dia betsaka amin’ireo tompon’andraikitra ambony eny amin’ireo tetikasa na orinasa misehatra amin’ny angovo azo havaozina no novokarina avy ao aminy. Parcours fahatelo kosa izay ny diplaoma « Licence » no avoakany, dia ny GLB (Gemmologie Lapidairerie Bijouterie) izay hanomezana lanja ny fanodinana harena an-kibon’ny tany eto amintsika, ka afaka mamorona asa mikasika ireo fanodinana sy fampitomboana ny lanjan’ireo vatosoa marobe ananantsika eto Madagasikara,… Fiofanana heverina fa tena ilain’ny Firenena sy fanohitra ho an’ny toekarena, saingy tsy miankina amin’izy ireo irery ny fametrahana ny harena an-kibon’ny tany amin’ny tena toerany sy lanjany ara-toekarena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.