Tao anatin’ny fivoriana nataon’ny Z’T MAMOR “Zanaky ny Teraky ny Manendy eny Moriandro Anosivola Mahitsy”natao teny amin’ny tranompokonolon’i Mahitsy omaly alahady 27 janoary 2019 no nanambaran’ny filohany, Me Maminiaina Jhonny Rakotondranaly,
ampahibemaso fa hihetsika hikarakara ny tanànan’i Mahitsy indray ry zareo ato ho ato. Ny fanamboaran-dalana niaraka tamin’ny fokonolona sy ny fanatsarana ny tohadrano tany Ankazo Mahitsy ary ny fanadiovana ary fanalana ny fota-mandrevo tao amin’ny tsenan’i Mahitsy RN 4 no vitan-dry zareo tamin’nytaon-dasa 2018. Hiaraka hiasa amin’ny Association Avotra“Andry syVonjin’ny rehetra eto Ambohidratrimo” tarihan’i Mme Fenitra avy eny Ivato/Antehiroka izy ireo amin’ity taona 2019 ity hanamboatra manontolo ny tsenan’i Mahitsy ka hampiasa fitaovana raitra dia raitra ary hanamboatra ny lalana simba hatomboka eny amin’ny toerana atao hoe Charbon mankany Ambohimanjaka mirefy 10 km. Eo koa ny hijerena ny resaka fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompian’ny tantsaha eny Mahitsy hatrany amin’ny alalan’ny hanomezana azy ireo zezika sy masomboly, zana-trondro ary zanaka akoho manatody lava …
Notsiandrian’i Me Jhonny manokana koa anefa teny am-piandohana ny hanendren’ny isam-bohitra solontena 4 avy homena karatra manokana hiaro sy hanara-maso ireo izay manao fanahiniana manimbazimba ny fomban-tany ka minia manasa voanjobory eny an-doharano na mipai-bato na mampiditra osy an-tanàna na koa mamadika fotaka mandritra ny volana martsa ka hatramin’ny volana mey izay mahatonga varatra milatsaka andro maina sy mahatonga main-tany lavareny izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.