Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»
Nampiaka-peo mikasika ny kolikoly goavana zary lasa fomba fiaina eto Madagasikara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael omaly, teny Ivato. « Naverina foana ny ady amin’ny kolikoly kanefa vao mainka mitombo io kolikoly io amin’izao, tsy tsapan’ny manam-pahefana ny tsindrihazolena mahazo ny Malagasy » hoy ny PRRM. Pasoara ny seranam-piaramanidina Malagasy. Misy mpanome loharanom-baovao ny PRRM fa tsy sahy miseho satria matahotra an’ilay tambajotra. Ny zandary alefan’ny filoha misy manakana, ananana olana, mitovy amin’ilay Mada Ozi izay maka 35euros amin’ny Visa, ary tsy mirotsoka ny 12euros an’ny Fanjakana. Hoentina aiza ny Firenena ? « Manamboninahitra zandary ao amiko no mahatratra mpanao trafikana volamena fa ny tety izany dia tsy misy antenaina, mandeha foana ilay harem-pirenena », hoy hatrany izy, izay nampahatsiahy fa taorian’ilay 2,60kg tratra dia nisy 13,720g tratra indray, efa sous-scellé tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, dia mbola ilay zandary nalefany no nahatratra azy satria efa mpamerin-keloka ny mpanao trafika, misy tambajotra miaraka aminy eny amin’ny seranana no heno foana rehefa misy fanadihadiana,… Taratara kely ny fanaovan’ny zandary fanadihadiana, dia hoe efa milamina ny fandoavam-bola any amin’ny tahirimbolam-panjakana, fa izaho hatreto dia milaza hoe nalamina ara-taratasy, hoy ny PRRM. Nisy vato sarobidy tratra ihany koa omaly, 117 piesy izay sinoa ihany koa no nahatratra azy. Mivoaka malalaka izay mivoaka, miditra malalaka izay miditra, na ny harem-pirenena atao trafika io, na ny vahiny, na ny rongony ampidirina miditra daholo satria samy te haka ny anjarany, samy te hahazo 4x4,… dia ahoana ny 90%n’ny Malagasy hoy ny PRRM nampisaintsaina. Niantso ny mpiasam-panjakana handinin-tena. Manjaka ny kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina izay vavahadin’i Madagasikara. « Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny Firenena, indraindray mitady hahakivy satria tsy misy olona itokisanao mihitsy izany eto amin’ity Firenena ity. Matoky ianao 1,2,3,4,5,… ny ankoatra izay ahitanao zavatra ataony daholo. Lasa ny PRRM avy any ambony no midina avy any ambany manontany loharanom-baovao, lasa miantso lehiben’ny mpitandro filaminana satria misy tsy manao ny asany,…Raha niteny ny Filoha Zafy Albert hoe hoento miakatra ity Firenena ity, dia izao lasa hoe : « hoento milentika ity Firenena ity », raha izao toetrantsika izao, hoy ny PRRM. Ny volamena miondrana antsokosoko any Dubai fotsiny no 100 taonina isan-taona, ny vola tokony hiverina eto fotsiny no 10 miliara dolara isan-taona. « Tsy tokony hangataka amin’ny FMI sy ny banky iraisam-pirenena i Madagasikara raha manao ny asanareo mahitsy daholo ianareo rehetra io », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael nahitsy.
AMPAMOAKA, BAIKO HENTITRA
Misy tompon’andraikitra tsy azo atao na inona na inona rehefa eo amin’ny seranana, tsy azo savaina rehefa handeha, kanefa ny Filoha manolo-tena hosavaina. Notononin’ny PRRM mivantana ny anaran’i Maleck Abdoul, Mr Doris, Mr Paulin,… izay nanomezany baiko ny hamindrana toerana omaly ihany azy ireo. Nanipika fa mbola misy hafa. « Ovao ny ekipa ety Ivato eto. Tsy iandrasana ela, na ny douane na ny PAF, ovao. Ianareo ao amin’ny BIANCO misy ao anatin’ilay tambazotra ihany koa ao aminareo, mpanao trafika! Natao hiady amin’ny kolikoly ianareo kanefa tsy mbola nisy tratra satria tsy manao ny asanareo ianareo. », hoy ny PRRM hentitra. Lasa lasitra sy fomba fiasa ny hoe : ahoana ny fomba hanodinkodinana volam-panjakana ? Ahoana no hanaovana kolikoly ? Ny diaspora mitaraina aminy, menatra aho amin’ny fangatahana 10euros, 20euros,… Dia tsy mba menatra ve isika ? Nanao antso hatrany amin’ny fiverenana amin’ny lalana mahitsy satria maro ny mieritreritra hoe fitondrana mandalo ity, nitolona, dia aleo mba mihinana daholo, hatrany ambony ka hatrany ambany, samy manao daholo, saingy tsy hanao kolikoly no nitolomako, hoy ny PRRM. Mba manontania tena ? Tandra vadin-koditra eto Madagasikara mihitsy ilay kolikoly ! Ilay Firenena efa mahantra, isan’andro mifoha maraina hatramin’ny hatoriana, dia trangana kolikoly foana no re ! « Soloy izay tsy manjary fa mankaleo ny mihaino ilay kolikoly isan’andro. », hoy izy. Tsy mba malahelo ve ianareo mahita an’ireny rangahy mitomany amin’ny Facebook ireny fa angalarin’ny olona ny taniny, hoy hatrany ny PRRM niantefa ihany koa tamin’ny Mpitsara sy ny Fananan-tany. Nanamafy fa mila fongorina arak’izany ireo fanetriben'ny firenena ireo ary ho hentitra ny fampiharan-dalàna sy ny sazy, tsy hananana havana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.