Fetison

Rakoto Andrianirina


  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

rano fisotro madio ny Malagasy
Mendrika ny fankasitrahana sy ny fampaherezana ny ezaka ataon-dRamatoa Anja Elia Razafindrianiaina, Minisitra sy ny ekipany, miaraka amin'ireo mpiara-miombonantoka aminy, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina raha nanaraka akaiky ireo ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana aho, ho fanatsarana ny famatsian-drano sy ny fahadiovana manerana an'i Madagasikara. Hita taratra izany, hoy ity filoha nasionalin'ny antoko Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy na RDS ity, amin'ireo asa efa vita sy mbola an-dalam-panatanterahana : ny tetikasa fanadiovana ny ranomasina ho rano fisotro madio any Ambovombe, ny fanatsarana ny famatsian-drano any Antsiranana sy Mahajanga, ary ireo fotodrafitrasa hatsangana na hatsaraina any amin'ny faritra maro, anisan'izany Antananarivo. Na izany aza anefa hoy i Fetison dia mbola lehibe ny fanamby. "Tsy ny isan'ny fotodrafitrasa naorina ihany no handrefesana ny fahombiazana, fa indrindra ny isan'ny Malagasy tena misitraka rano fisotro madio, ny faharetan'ny famatsiana ary ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa. Ny rano dia fiainana, fahasalamana ary hasin'olombelona". Teny fanentanana no namaranan'i Fetison Rakoto Andrianirina ny fanehoan-keviny ka nilazany fa rehefa misy ezaka sy dingana mahasoa ny vahoaka dia tokony ho haintsika hatrany ny mankasitraka sy mampahery ireo manatanteraka izany, sady manentana azy ireo hanohy hatrany. Nohamafisiny koa fa tsy ny hoe : iza no manao azy no zava-dehibe, fa ny soa entiny ho an'ny Malagasy rehetra.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT