Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »
Naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny tsaho sy fanosoram-potaka an’i Tahina Razafinjoelina ho mikotrika fanakorontanana eto amin’ny Firenena. Notononina ny jeneraly Ramiaramanana Joseh, Tabera Randriamanatsoa. Nambara fa nisy fivoriana teny Ankadifotsy sy Ampefiloha. « Ho antsika namana mpanao gazety sy mpizara vaovao. Mba miangavy aho hanadihady tsara vao mamoaka vaovao fa mety hiteraka fahafatesana tampoka anie izany vaovao fanonganam-panjakana izany ! Nahoana no tsy misy famotorana fa tonga dia ambara fotsiny tahaka izao sy izao ? Ny raiko 77 taona taitra tanteraka naheno ny vaovao. », hoy i Tahina Razafinjoelina naneho ny alahelony. Averiko, tsy kilalao ny vaovao avoakantsika fa mba asio famotorana tsara fa aina no iankinany, hoy hatrany izy. Andaniny, nilaza ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, raha ny ranty navoakan’ny mpanao gazety iray, ka nilaza fa fa efa iray volana izy izay no tsy teto an- toerana fa any ivelany. Tsy mifandray akory amin’ireo olona voatonona miaraka aminy tao anatin’izay fotoana izay… Aoka mba vaovao voaporofo sy marina no aparitaka fa tsy manimba olona amin’ny zavatra tsy marim- pototra, hoy izy. Inona izany no tanjona amin’ilay fanosoram-potaka ara-politika indrindra ao anatin’ny fotoana niresahan’ny PRRM fa misy namana te hamingana sy hanongana ? Vao omaly moa ny PRRM no nilaza fa ny lainga sy ny mpamitaka eraky ny Facebook no manjaka eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.