toavintsika ny fanajariana sy fananantany
Tsy ao anatin’ny soa toavina Malagasy intsony hoy ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy ny fanajariana sy ny resaka fananantany eto amintsika. Hafangaron’ny olona ny fanajariana tany sy ny fananantany hany ka rehefa manana certificat juridique izy ireny dia mihevitra fa azony hatao eo amin’ny taniny avokoa izay tiany. Misy lalana sy fepetra hapetraky ny fanjakana anefa hoy izy izany mba handaminana ny tanana. Misy ny azo hanorenana, misy ny tsy azo toy ́ny hoe : an-tsaha sy an-tanana. Raha tsiahivina kely dia nanomboka omaly Talata 20 Oktobra no nanamarika ny iray volan’ny tanan-dehibe ny kaominina Alasora. Varavarana misokatra no nisantarany izany teny amin’ny domaine Alasora, haharitra andro maromaro. Tanjon’ny kaominina ny hanentanana sy hamporisihina ireo olona nanangana trano nefa tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana hanorina akory mba ho avy hanatona azy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny mponin’Antananarivo renivohitra sy ireo kaominina miisa 16 mandrafitra ny distrikan’Avaradrano. Handamina sy hampanara-dalana no tanjona hoy ny Ben’ny tanana fa tsy sanatria hanakorontana akory. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ny tenany, indrindra amin’izao andron’ny Fanavaozana izao mba hametraka ny fandaminana ifotony eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany hahafantaran’ny olona ny mombamomba ny tany hovidiany. Tafiditra ao anatin’izany ny hoe : azo hanorenana sa tsia ?....Tsiahivina fa mahatratra 400 eo ho eo ny fangatahana fahazoan-dalana mba hanorina isan-taona ho an ́ity kaominina iray ity. Ny ankabeazan’ireo anefa dia tsy ara-dalana avokoa.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora sy Ramaroson Mihary, Talen’ny toeram-ponenana sy fampanjariana ny lalana fanorenana nanotrona ny fotoana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.