Nampiantrano atrik’asa fakan-kevitra nandritra ny roa andro, 11 sy 12 oktobra 2016, ny tanŕnan’i Mahajanga, handrafetana paik’adim-pirenena ho an’ny asa fanentanana sy fanabeazana ara-pifidianana
. Ny fahatsapana fa tsy ampy ny fanabeazana, ny serasera sy fampitam-baovao ara-pifidianana ho an’ny vahoaka Malagasy no nahatonga ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka PNUD nanao izao atrik’asa izao, hoy ny Filoha Lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry. Tanjon’ny atrik’asa ny mba hahafahana manentana sy manabe ny vahoaka Malagasy hahatsapa tena fa tompon’andraikitra marina eo amin’ny zotram-pifidianana rehetra eto Madagasikara izy ireo. Hahafahana ihany koa manatontosa fifidianana maneho vokatra eken’ny rehetra mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny fitondràna voafidy, satria izay ihany no làlana voalohany mitondra makany amin’ny fampandrosoana maharitra, hoy ihany izy. Marihina fa atrik’asa fanabeazana iraisam-paritra efatra no ho tanterahin’ny CENI sy ny PNUD. Tao Fianarantsoa no natao ny herinandro lasa teo ny anjaran’ireo faritra ao Toliara sy Fianarantsoa. Izao notanterahina tao izao ny an’ireo ao Antsiranana sy Mahajanga ary manomboka ny 17 oktobra 2016 ny an’i Toamasina sy Antananarivo izay ho tontosaina eto an-drenivohitra. Atrik’asa nasionaly no handravonana ny tatitra rehetra mirakitra ny hevitr’ireo mpandray anjara avy ifotony, ka ireo no hoentin’ny CENI sy ny PNUD handrafetana ireo paik’adim-pirenena ho an’ny asa fanentanana sy fanabeazana ara-pifidianana amin’ny taona ho avy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.