Actualités

Zotra D Ivato-Antananarivo Tsy mandaitra amin’ny FIFIABE ny sazy


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Niteraka resabe eo anivon’ireo kaoperativa manao fitaterana olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fepetra sasany noraisin’ny minisiteran’ny fitaterana asy ny famantarana ny toetr’andro niaraka tamin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka sy ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena taorian’ny lozam-piarakodia namoizana ain’olona 12 ny zoma 29 aprily lasa teo.

 

 voakasika manokana amin’izany ny kaoperativa SOAMIRA nisy ny fiara sprinter iray nitondra mpianatra ka nivarina an-kady tany Mahitsy sy ny an’ny kaoperativa FIFIABE nisy ny fiara sprinter iray fototry loza teny amin’ny lalana Digue nifandona tamin’ny fiara mpitatitra avy eny Ambohitrimanjaka.

Norarana tsy hahazo hiasa mandritra ny folo andro ireo kaoperativa roa ireo, fotoana hanovan’ny mpamily miasa amin’ireo kaoperativa ireo ho « biométrique » ny taratasy fahazoan-dalan’izy ireo hitondra fiara. Hanomezana fiofanana ireo mpamily sy ny mpanampy ny mpamily ary koa hanamarinna ny fiara ampiasain’ireo kaoperativa ireo, ka hiara-kisalahy amin’izany ny foibe fitsarana fiara etsy Alarobia, ny Bianco ary ny ATT na antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety.

Tetsy an-kilany, nisy ny hetsiky ny olon-tsotra teny Ambohijatovo sy teny amin’ny sekoly La Pepite d’or Ambohimanarina, tohina amin’ny afitsoky ny taksibe sy ny loza aterany, indrindra taorian’ny zava-nitranga ny zoma 29 aprily lasa teo, namoizana ain’olona 12 be izao, ka zaza ny enina.

Ny zavatra tsikaritra aloha, dia mbola hita manohy ny asany ny fiara amin’ireo kaoperativa ireo, indrindra ny FIFIABE mampitovy an’Antananarivo amin’Ivato sy Ambohidratrimo. Tsy mazava amin'ny maro tokoa manko ny hoe : ny hafa no manao ny hadisoana ka ny rehetra no indray voasazy. Eny fa hatramin'ny mpandeha aza izany eto terena handeha an-tongotra vokatr’io fepetra io. Sa ny kamiaoben'ny EMMOREG no hisolo ny fiara ampiasain’ireo kaoperativa ireo, hitatitra ny olona mandritra ny folo andro, mampanan-kery io fepetra io ?

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT