Nivaky ho roa ny zotra 152 Miarana mampitohy an’Amboditsiry sy Tanjombato. Efa ho tapa-bolana izao no nitrangan’izany vokatry ny tsy fifankahazoana nisy teo amin’ny mpitantana ny kaoperativa sy ireo tompona fiara.
Niezaka niroso tamin’ny fanatsarana mantsy ny mpitantana ity kaoperativa ity nanomboka tamin’ity taona 2016 ity, taorian’ny 18 taona izay fantatra fa tsy nahitany vokatra firy. Tafiditra tao ny fikasany mba hamadika ho orinasa kely iray mihitsy ity zotra ity saingy betsaka ireo tsy nanohitra. Mba hahafahana miditra amin’io lalana io anefa dia tsy maintsy noravana ny kaoperativa 152, antony nanosika ireo tompona fiara hanangana ny zotra 154 Miorina izay nakan’izy ireo fahazoan-dalana teo anivon’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Niasa ara-dalàna toy ny mahazatra izy ireo taorian’izay ary foana kosa ny zotra 152 izay nahazatra ny maro ka nampitaraina fatratra mpitantana azy. Tsy hijanona hatreo ny raharaha fa nampiakatra ho amin’ny ambaratonga ambonimbony kokoa ireo voakasika. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana, didy izay fantatra fa hivoaka amin’ity herinandro diavintsika ity, raha tsy misy ny sampona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.