Actualités

Zon’ny mpiasa Nifanakalo hevitra ny CNaPS sy mpampiasa


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Nanokana roa andro ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) sy ny minisiteran’ny asa, ny fampanan’asa,

 

 

 

 ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy sy ny sampana miahy ny fahasalaman’ny Mpiasa (OSTIE sy AMIT) mba hanentanana hatrany ny mpampiasa momba ny zon’ny Mpiasa. Fifanakalozan-kevitra malalaka momba ny pitsopitsony izay mbola mampisalasala ny mpampiasa sy ny mpiasa no natao teny amin’ny Building Mining Center Ivato ny talata sy omaly alarobia. Nambaran’Atoa Rasoanaivo Didier tale eo anivon’ny CNaPS fa « mbola ambany dia ambany ny tahan’ny Malagasy misitraka ny fiahiana ara-tsosialy ». Didin’ny lalàna velona ny zo sy andraikitry ny tsirairay mikasika ny fifanarahana arak’asa na asa maharitra na asa voafetra na asa an-tselika, hoy ny solontenan’ny minisitera mpiahy Andriamahefa Zo Nambinina izay inspecteur du travail et des Lois Sociales. Io no fototry ny fifamatorana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa izay mitarika ny zo ho an’ny mpiasa sy ny ankohonany. Tafiditra amin’izany ny zo amin’ny fialantsasatra raha vao mahavita asa 12 volana misesy. Fa mialoha izay dia tsy maintsy soratana ao amin’ny CNaPS ny mpiasa vao niditra 15 andro aorian’ny fisokafan’ny orinasa iray. Ny latsakemboka aloan’ny mpampiasa sy mpiasa no mivadika fanampiana ka ny mpampiasa dia manefa 14% , izany hoe 13% avy aminy sy 1% alaina amin’ny karaman’ny mpiasa ho an’ny sehatr’asa ankapobeny. Raha asa famokarana kosa dia 9% ny latsakemboka ka 8% an’ny mpampiasa ary 1% ny an’ny mpiasa. Toy ny mpiasa rehetra dia tsy maintsy soratana CNaPS ny mpiasa an-trano ka  800 Ar an’ny mpampiasa ary 80 Ar alaina amin’ny karaman’ilay mpiasa an-trano. Io latsakemboka io izany no miantoka ireo fiahiana mitsinjara telo lehibe sahanin’ny CNaPS mandra-pitsahatry ny mpiasa iray amin’ny asany araky ny fepetra voarakitry ny sata mifehy ny asa sy ny lalàna sosialy eto Madagasikara.

 

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT