no hisitraka izany
Sekoly 260 sy tobim-pahasalamana 70 no asaim-panatsarana ny fahazoana rano fisotro madio, ny fanadiovana ary ny fidiovana ao anatin'ny tetikasa PAAEP. Mpianatra miisa 138 517 no hisitraka izany. Toerana iray isany misitraka ny tetik'asa eto Antananarivo ny etsy Analamahitsy. Nidina ifotony teny an-toerana ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr Minosoa Anjarantiana Elia Razafindrianiaina, ny 16 Oktobra 2026, nijery ny fandrosoan’ny asa fanorenana sy fanarenana ireo foto-drafitr'asa WASH. Vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola hatrany amin'ny 220 tapitrisa dolara ka vola tsy averina ny antsasak'io ary eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ny PAAEP, izay manohy ny ezaka hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hiarovana ny fahasalamany. Dimy taona 2022-2027 eo ny faharetan'ny tetikasa.
Jean D.
Fijerena ny fizotry ny asa eny Analamahitsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.