Nifarana ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny restaurant Tsiky Ambohijatovo ny fivoriambe mikasika ny tatitra fanao isaky ny 4 taona momba zon’ny fokonolona eto Madagasikara.
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary eto Madagasikara na Tafo mihaavo, Louis de Gonzague Razanadraibe, dia mbola maro izay endrika tsy fanajana ny zon’ny fokonolona mitranga eto amintsika izay. Isan’ny tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny fitantanana ireo ala voajanahary satria misy amin’ireo mpanao kolikoly manana taratasy fahazoan-dalana no lasa manao izany ho fahefana ahafahany tsy manara-dalàna. Misy toerana potika ny 75%n’ny ala honko ao aminy vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany kanefa io ala io, hoy izy, no miantoka ny fiveloman’ireo fokonolona ao amin’ilay fiarahamonina no sady miaro ny tontolo iainana. Ny 2%n’ny volam-panjakana ihany no mipariaka amin’ireo rafitra mifandray amin’ny eny ifotony toy ny fiadidiana ny faritra sy kaominina ary fokontany saingy ny ambiny dia mijanona any ambony any daholo. Voalazan’ny lalàm-panorenana ao amin’ny andininy faha 152 fa ny fokonolona no andry iankinan’ny fitantanana ny ala voajanahary ka aiza, hoy ny tenany, ny fampiharana izany. Tapak’ireo mpizaika 40 isa moa fa ho tohizana ny ady sisika mikasika ity raharaha ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.