Jhona Iberanandrasana

- MRM


  • Talata 20 Oktobra 2026

Mijoro mba hisorohana ny krizy miverimberina

Mouvement pour le Renouveau de Madagascar" Antoko niorina ny volana Martsa 2026. I Jhona Iberanandrasana no filoha mitarika azy. Antony nanosika ny lehilahy nanangana ny Antoko "MRM" ny fahitana ny toe-draharaha ara-politika eto Madagasikara izay notarafiny tamin'ireo fifidianana notanterahana teto amin'ny Nosy izay nandraisan'anjaran'ireo mpikambana mandrafitra ny MRM ankehitriny. Anisan'ny nanosika ny filoha sy ireo mpiara-dia aminy nanangana antoko ihany koa ny fahitan'izy ireo fa mila ovaina ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara izay anisany antony ngeza mankadiry mitarika any amin'ny krizy miverimberina mitarika an'i Madagasikara ho anatin'ny fahantrana lalim-paka. Dingana voalohany efa nirosoan'ny MRM ny firesahana tamin'ireo Antoko efa niorina teto amintsika izay mahatsapa fa misy lesoka "Ratsy" ny fomba nentina nanao politika teto Madagasikara hatramin'izay koa mila fanavaozana ifotony. Io no nahatonga ny MRM ho tafiditra anatin'ny Vovonana "VMFR" (Vovonana Miaro ny Fanovana miatrika ny Repoblika vaovao). Ity farany izay mitaky hatrany ny hirosoana amin'ny Dinika politika izay antoka iray lehibe ahafahana mandravona ireo disadisa politika mitarika krizy mampahantra firenena. Nanterin'Iberanandrasana Jhona, filohan'ny Antoko MRM hatrany fa ny fandraisan'anjaran'ny tenany sy ireo mpikambana maro eo anivon'ity Antoko ity no ahafahan'izy ireo mahatsapa ireo lesoka sy madilana tentenina amin'ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara sy efa hananan'izy ireo ny vahaolana ho amin'ny fanarenana izany mba ho tombontsoan'ireo taranaka handimby tsy hiaina krizy miverimberina intsony. Tsy hitondra vokatsoa ho an'ny Malagasy ny fanatanterahana fifidianana ankahamehana fa ny fifidianana eken'ny rehetra hitarika ho amin'ny fahamarina-toeran'ny Repoblika no ilaina, hoy ny avy eo anivon'ny MRM. Ilaina ny fifidianana fa ny fifampitokisana aloha no ilaina haverina eo amin'ny fikirakirana ny politika araka ny hevitry ny Antoko.
Jean D.
Iberanandrasana Jhona, filohan'ny Antoko MRM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT