XXL LAST

RACE BY CARREFOUR


  • Talata 20 Oktobra 2026

Hanomezan-danja ireo mpankafy

Slalom malagasy
Hahazo tombony manokana ireo mpankafy Slalom Malagasy amin’ity taona 2026 ity. Hotanterahina ny 07 sy 08 Novambra ho avy izao mantsy ny hetsika mifandraika amin’izany. Andiany faha-23 izy io, mitondra ny anarana hoe : « XXL Last Race by Carrefour » ny Auto et Cross Car de Tana (ACCT). Eny amin’ny kianja Ampilanonana Ambohimanga Rova no hanatanterahana izany, fifaninana hanamarihana ny tapany farany amin’ny fiadina ny Tompondakan’i Madagasikara amin’ny Slalom 2026 sy hampivondronana ireo mpanamory sangany ao amin’io taranja io. Tsiahivina kely fa tao anatin’ny roapolo taona mahery dia mipetraka ho fitaratra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana slalom eto Madagasikara ny ACCT. Toy ny isan-taona, ny « Last Race » no manakatona ny fotoam-pifaninana mekanika eto Madagasikara ary ihany koa fotoana manan-danja hanolorana ny amboara ho an’ny mpandresy nasionaly. Fihaonana tsy azo hiodivirana ho an’ny mpanamory, ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpankafy araka izany ity andiany 2026 ity. Mpifaninana hatramin’ny 50 isa izay mizarazara isan-tsokajy Auto, 4x4, Cross Car ary SSV no handray anjara. Hisy ny andrana ataon’ny mpandray anjara aloha, ny dingana maromaro amin’ny fifaninanana, ny fanentanana hiarahana amin’ny DJ, ny fampisehoana fiara fehezina lavitra izay vao hofaranana amin’ny lanonana fizarana ny amboara ny fandaharam-potoana. Mpiara-miombon’antoka mahatoky hatramin’ny andiany voalohan’ny hetsika ny STAR.
Pati
Legende : Vonona tanteraka ireo mpikarakara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT