Actualités

Zon`olombelona Mila mandray fepetra ny fitondrana amin’ny fampanajana azy


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Mitohy hatrany ny antsojay ataon`ny fitondrana amin`ireo tsy mitovy hevitra aminy satria tsy manana zo haneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ny vahoaka Malagasy ary voatampim-bava tanteraka.

 

 

 Ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay efa nilaza fa zon’ny olom-pirenena no maneho hevitra ary voalazan`ny and.20 ao anatin`ny lalàna iraisam-pirenena ho fiarovana ny zon`olombelona: “Ny olom-pirenena dia manan-jo maneho hevitra ankalalahana…”.  Ny volana mey 2017, dia nampatsiahy ny Amnesty International fa ireo hetsika famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana dia ara-dalàna, mifanohitra amin`izay laizan`ireo manampahefana. Ny zo haneho hevitra dia tsy voatery hahazo fahazoan-dalana. Ny fanjakana anefa no mametraka paikady hanamorana ireo mpitandro ny filaminana sy tompon’andraikitra samihafa haka fanapahan-kevitra mifandraika aminy. Izany hoe manamora ny tsindry ataon`ny mpitondra ny filazany fa ny hetsika tsy nahazoana alalana dia voarara. Diso izany, hoy ny Amnesty International. Marihana fa ny 10 jolay 2017 dia nilaza ity fikambanana ity fa mila mandray fepetra ny fitondrana malagasy amin’ny fampanajana ny zon’olombelona sy ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra. Maro no tsy faly amin’ìzao fanaovana zinona ny fahoriana sy ny fahantrana izao ka asa raha tsapan`ny fitondrana ankehitriny ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT