Talohan’ny nanokafana tamin’ny fomba ofialin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemantera Malagasy na teny Tsimbazaza na tao
Anosikely omaly talata 18 oktobra tolakandro, izay nisongadinan’ny hevitra fijerana ny sosialim-bahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fanomanana fatratra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia sy ny fieritretana ho filamatra ireo Parlemantera, dia mbola nisy ny alatsinainy 17 oktobra 2016 fahatongavan’ny delegasiona avy amin’ny BIT na Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa notarihan’i Carlos Carrion Crespo, nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Malagasy. Fototry ny dian’ireto vahiny ny fijerena ifotony ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny fanajana ny Zon’ireo Mpiasam-panjakana eto Madagasikara izay voarakitry ny fifanarahana iraisam-pirenena mitondra ny laharana 151, 188 ary 199 mialoha ny hankatoavana azy eny anivon’ny Parlemanta. Inoana fa mba voajery tamin’izany ny marikarama marina iainan’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara ankehitriny. Fantatra fotsiny aloha fa nanome toky ireto vahiny ny filohany, Rakotomanana Honoré, fa hijery akaiky ity fifanarahana iraisam- pirenena ity miaraka ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy eto Madagasikara mialoha ny dingana hankatoavana azy ety anivon’ny Parlemanta ry zareo senateran’i Madagasikara. Nialoha izany dia nandray ireo mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana ho an’ny firenena Rosiana sy Marokana izay nisedra olana noho ny fahataran’ny fiaingan’izy ireto hamonjy ny fianarany. Manoloana izany dia nandray andraikitra ny Filoha Rakotomanana Honoré ka niantso avy hatrany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika, hijerena akaiky ity toe-draharaha ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.