Nitsidika ara-pomba fifanajana tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny
Lapan’Anosikely omaly alatsinainy 17 oktobra 2016 ny delegasiona avy amin’ny BIT na Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa notarihan’i Christina Holmgren sy Carlos Carrion Crespo. I Madagasikara dia anisan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa ao anatin’ny Firenena Mikambana ka nojeren’ny vahiny ifotony ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny fanajana ny Zon’ireo Mpiasam-panjakana eto Madagasikara izay voarakitry ny fifanarahana iraisam-pirenena mitondra ny laharana 151, 188 ary 199 mialoha ny hankatoavana azy eny anivon’ny Parlemanta. Inoana fa mba voajery tamin’izany ny marikarama marina iainan’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara ankehitriny. Ny Antenimierandoholona amin’ny maha Mpanolotsaina ny Governemanta eo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy sady misolotena ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy dia nanome toky ireto vahiny fa hijery akaiky ity fifanarahana iraisam- pirenena ity miaraka ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy eto Madagasikara mialoha ny dingana hankatoavana azy ety anivon’ny Parlemanta. Nialoha izany dia nandray ireo mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana ho an’ny firenena Rosiana sy Marokana izay nisedra olana noho ny fahataran’ny fiaingan’izy ireto hamonjy ny fianarany. Manoloana izany dia nandray andraikitra ny Filoha Rakotomanana Honoré ka niantso avy hatrany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika, hijerena akaiky ity toe-draharaha ity.
Ntsoavina Evariste
Alatsinainy faha-17 Oktobra 2016.
Sampandraharahan’ny Fifandraisana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.